airtel

Fifamoivoizana

13-mars-2026

Fandrindrana

ny fifamoivoizana

Sample post image

Nasiana jiro maroloko etsy Analakely

13-mars-2026

Tazana eny amin’ny Araben’ny fahaleovantena eny Analakely tato anatin’ny andro vitsy izao ny jiro maro loko entina handrindrana ny fifamoivoizana. Fitaovana fampiasa efa hatry ny ela hatrany ivelany izy io, ary efa nampiasaina teto Antananarivo fahiny, saingy tapitra potika sy nisy nangalatra. Ankehitriny, manomboka misy izany indray izany izao eto an-dRenivohitra izay tena ilaina sy isan’ny manampy amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana izay tena manahirana eto Antananarivo. Ny fiara mitombo, ny fotodrafitrasa tsy ampy, ny olona handrindra tsy ampy,… ka manampy itony na mety tsy hahavaha olana 100% aza. Isan’ny fandaharan’asan’ny kandida ben’ny tanàna Tahina Razafinjoelina moa ny hamerina ny tahaka itony, ka niresahany ny hitrandrahana ny fahaiza-manaon’ireo tanora amin’ny alalan’ny fampiasana teknolojia maoderina mba hampahomby azy avokoa. Tsara ny manamarika fa mahatratra hatrany amin’ny 40 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka ateraky ny toham-bohivoy eto Antananarivo, ka isan’ny fositra ihany koa ny fahasimban’ny làlana.
Toky R

 

Dans la même rubrique