airtel

Fifamoivoizana

30-août-2021

Fifamoivoizana

Fanoherana ny Taxi-moto Miditra an-tsehatra ireo vadina mpamily Taxi-ville

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny sabotsy teo ireo vehivavy vadina mpamily fiara karetsaka na taxi eto Antananarivo renivohitra.

30-août-2021

Naneho ny alahelony izy ireo manoloana ny fahafantarany fa mety hampidirin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ho ao anatin’ny sehatr’asa ara-dalàna ho afaka hitatitra mpandeha ny taxi-moto. Ankehitriny anefa efa zara raha mahita course roa ny fiara karetsaka iray mandrapaharivan’ny andro eto an-drenivohitra, raha tsy lazaina intsony ny fitohanana eran’ny tanana izay sady mandany solika no manimba fiara eny am-pandehanana ihany koa. Nanampy ireto vehivavy vadina mpamily taxi ireto nandritra izany ny CST izay miantso ny kaominina mba handinika tsara sy hijery lafin-javatra maro. Lazain’ny olona fa saribakolin’ny kaominina Antananarivo renivohitra hatrany izahay hoy izy hatramin’izay ka tsy maintsy mijoro sy miteny manomboka izao. Jereo ilay fiara karetsaka izay efa sasatry ny mandoa volam-panjakana hoy izy ary aza hampitoviana amin’ny taxi-moto. Marihina moa fa mety hanimba tanteraka ny asan’ny fiara karetsaka mihitsy ny taxi-moto raha horaisin’ny kaominina tokoa ny fanapahan-kevitra mifandraika amin’izany. Sady afaka miady amin’ny fitohanana lavareny etsy sy eroa mantsy izy ireny no mety ho moramora ihany koa ny saran-dalany raha oharina amin’ny an’ny fiara karetsaka.

Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap