airtel

Fifamoivoizana

05-août-2021

Fifamoivoizana

Fanonerana noho ny tetikasa Rocade Nisokatra omaly ny fandraisana dosien’ireo manana fahasarotana

Sample post image

Noho ny olana sedrain’ireo tompon-tany nanaovan’ny fanjakana Malagasy tetikasa ka voatery tsy maintsy miala amin’ny taniny ary mbola tsy nahazo ilay vola vidin-tany na fanonerana

05-août-2021

 dia nandray fanapahan-kevitra ny fanjakana fa ho azy ireny dia misy ny didim-panjakana hijerena manokana ny mikasika izay, hoy Rahary Andriamanjato Laza, talen’ny fananan-tany eto Madagasikara. Tsy natao ho an’ny tetikasa Rocade irery izy io fa ho an’ireo rehetra mitovy tranga amin’izany izay mizara 2 dia na manana taratasy fa tsy ara-dalana mahakasika ilay tany na tena tsy manana mihitsy nefa hitam-poko, hitam-pirenena fa efa teo amin’ilay tany tratran’ilay tetikasa foana. Ny didim-pitondrana nivoaka ny 30 jona 2021 teo no manome alalana azy ireny rehefa manaraka ny paikady voalazan’io didim-pitondrana io. Azo aloha aminy ny vidin’ny tany nalaina taminy amin’izay fotoana izay. Ny tetikasa Rocade manokana moa dia mahakasika distrika miisa 2 dia Avaradrano sy Antananarivo renivohitra. Maherin’ny 500 isa ireo olona voakasik’ilay tsy fananana antotan-taratasy na manana fa tsy araka ny lalana sy fitsipika mifehy ny fananan-tany. Anio (TTF: omaly) no misokatra amin’ny fomba ofisialy ny fiantsoana azy ireo mba hanatona ny sampan-draharahan’ny fananan-tany voakasika. Ho an’ny mahakasika ny Rocade dia eny amin’ilay birao iombonana na “guichet unique” eny Avaradrano no mandeha. Ho anareo izay voakasika dia ho entina eny ny antotan-taratasy na antotam-baovao mikasika ny tany tratran’ilay tetikasa. Eny no mijery tsirairay isaky ny dosie hoe tafiditra ve sa tsia ny mahakasika ny taninareo. Rehefa tonga eny tsy hoe handray vola akory fa mbola misy paikady hatrehina mahakasika ity didim-pitondrana ity fa tsy ho voazava eto daholo moa fa ny zava-dehibe dia ny fahatongavanareo mitondra izay antotan-taratasy izay. Ny mikasika ny tany izay fa ny mikasika ny teo amboniny kosa toy ny fanamaintisa-molaly na trano sy fambolena sy ny hafa dia efa any amin’ny 99% any ny fanonerana efa nataon’ny fanjakana, izany hoe, tsy misy olana intsony ny mahakasika izay. Tsy maintsy natao ny asa satria isika manana fe-potoana amin’ny fanatanterahana ny asa raha raisina io tetikasa Rocade io. Efa any amin’ny kitapom-bolam-panjakana na “trésor” ny vola mikasika azy io fa ilay olona no tsy nahatafavoaka ny taratasy any am-pelantanany dia tsy maintsy natao ny asa fa na izany aza ilay faritra nalain’ny fanjakana io resahantsika fa honerana io na dia efa tontosa aza ny asa. Efa niarahantsika nahita fa efa notokanana iny ny Rocade Iarivo dia mitohy ny fanatontosana ny fandoavana ny volan’ireo rehetra voakasik’izany, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap