airtel

Fifamoivoizana

05-juil-2022

Fifamoivoizana

Fari-dranomason’i Menabe Misy sambo vahiny manao fitrandrahana tsy ara-dalàna

Sample post image

Tsy dia milamina loatra ny fari-dranomasin’i Menabe. Misy sambo vahiny manao fitrandrahana tsy ara-dalana mantsy any an-toerana matetika saingy tsy hita tampoka izy ireo noho ny toetr’andro izay somary ratsiratsy tato ho ato.

05-juil-2022

Fantatra izany omaly alatsinainy 04 jolay nandritra ny fahatongavan’ireo sambo roa lehiben' ny tafika frantsay “ Champlein “ sy ny tafika Malagasy “Tselatra” tokony ho tamin’ny roa ora maraina tonga tany amin’ny fari-dranomasin’i Morondava ny sambo roa lehiben' ny tafika frantsay “ Champlein “ sy ny tafika Malagasy “Tselatra”. Tonga nandray azy ireo prefet ny Morondava sy ireo lehibem-pibaikona ny fitandroana ny filaminana any amin’ny faritra Menabe nahitana ny avy ao amin’ny zandarimaria sy ny tafika Malagasy. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny tafika Frantsay sy ny tafika Malagasy moa izao hetsika izao mba hisian’ny fifanakalozana eo amin’ny tafika roa tonta sy hanamafisana ny fisafoana ny fari-dranomasina Malagasy ary ihany koa ny fametrahana ny inter-arme Malagasy. Hiverina amin’ity herinandro ity ihany moa izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap