airtel

Fifamoivoizana

27-mai-2022

Fifamoivoizana

Fasan’ny Karana Nitombo 25 % ireo taxi brousse mivoaka

Sample post image

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoana mahamaro ireo olona mivezivezy na haute saison isika amin’izao fotoana izao.

27-mai-2022

Mitombo araka izany ireo fiara taxi brousse mivoaka sy miditra eto an-drenivohitra toy ny etsy amin’ny Fasan’ny Karana. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin-dRakotondrafara Fredinard anisan’ireo mpitantana eo anivon’ity tobim-piantsonana iray ity dia nitombo 25 % ireo mpandeha raha oharina tamin’ny teo aloha. Am-polony isan’andro araka izany ireo taxi brousse mivoaka etsy amin’ny Fasan’ny karana ho an’ny koperativa isanisany ka saika mitovitovy avokoa izany ho an’ny faritra rehetra. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ny mpandeha maromaro dia ny miazo an’i Fianarantsoa no tena be mpandeha. Niaka-bokatra mantsy ny tany an-toerana nanomboka tamin’ny volana martsa, aprily ka saika mihazakazaka mivarotra entana any amin’iny faritra iny avokoa ny mpanao varo-mandeha. Fa tena tian’ny olona ihany koa ny miazo an’i Manakara sy Morondava, raha araka ny fanadihadiana natao hatrany na ho an’ireo mpanao varo-mandeha izany na ho an’ireo mpitsangatsangana fotsiny ihany. Efa nasiam-panitsiana moa ny saran-dalan’ny taxi brousse eny amin’ny Fasan’ny karana raha tsiahivina.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap