airtel

Fifamoivoizana

07-avril-2021

Fifamoivoizana

Fasan’ny karana sy Ampasampito Nitohy ny fitaterana mivoaka sy miditra an’Analamanga omaly

Sample post image

Raha ny hita teny an-toerana omaly, mitohy ny fahatongavan’ny olona avy any amin’ny faritra sy ny vao hanainga

07-avril-2021

 

 

 

na tapitra ny alatsinainy 5 aprily lasa teo aza ny fe-potoana ahafahan’ny fiara mpitatitra zotra nasionaly mivoaka sy miditra ny faritra Analamanga amin'ny alalan'ny taksibrosy eny amin'ny Fasan'ny karana. Nitohy toy ny andavanandro ihany koa ny fitaterana miainga eny amin’ny Toby Fiantsonana Ampasampito ho an’ny omaly. Lasa adihevitra tsy hifankahitana moa io hoe: to teny amin’ny vahoaka ve ny Fanjakana? Ny lalan-tsaina nitondran’ny Fanjakana azy dia ny mba hiarovana amin’ny fipariahan’ny valanaretina coronavirus. Maro ihany koa anefa etsy ankilany ny olona maneho hevitra, fa tokony havela hiasa ny mpitatitra fa ny fepetra no hamafisina. Tsy misy rahateo ny fepetra mifandraika amin’ny fanatsaharana ny olona ankitsirano amin’ny asa fivelomany na “mésure d’accompagnement”, fa dia terena fotsiny tsotr’izao tsy hiasa, kanefa ny fitaterana samihafa eto Antananarivo maro no tsy manaja fepetra tsy misy fandraisan’andraikitra, hoy ny sasany. Misy ihany koa ny maneho, fa tsy tokony hisy ny sakantsakana ho an’ny zotra rejionaly. Samy manana ny ambarany arakaraka ny toerany avy moa ny olom-pirenena eo anatrehan’io, fa ny hanentanana ny rehetra hatrany dia ny hoe: aoka hitandrina, fa tsy misangy ary tena mamono haingana ny valanaretina. Mila mahitsy sy mazava ary mampihatra ny mangarahara ihany koa ny fitondrana, ary indrindra tsy tokony hanao tari-bato vilam-bava. Fahita eto mantsy ny hoe: ny manam-pahefana manao ny ataony, tsy manaja fepetra rehefa amin’ny tombotsoa politika, kanefa ny vahoaka mahatsapa ho tratry ny tsindrihazolena sy voatohintohina ny asa fivelomany.

Toky R

Dans la même rubrique