manokana nataony ny faramparan’ny herinandro lasa iny Rtoa Onitiana Realy tale kabinetra sivilin’ny filohan’ny Fanavaozana ny hoe : aoka izany ny pirimpa pirimpa eny an-dalambe, ireo filohana andrim-panjakana irery ihany, hoy izy no afaka mampaneno kiririoka sy kipantsona eny amin’ny arabe ka omena lalana. Ny filohan’ny fanavaozana, praiminisitra, filohan’ny antenimierampirenena, filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC ireo resahana ireo. Tafiditra ao ihany koa ny filohan’ny antenimierandoholona saingy tsy misy moa aloha io izao eto Madagasikara. Efa iarahan’ny rehetra mahafantatra kosa fa mahazo « priorité » hatrany ny « Pompier », «Ambulance » sy ny mpitandro filaminana satria tsy voafetran’ny fotoana ny asan’izy ireo ary maika.
Ny ankoatr’ireo dia manararao-pahefana raha ao anaty fitohanan’ny fifamoivoizana no manao pirilipo sy misongona tsy lera na iza izy na iza. Misy ireo tsy fantatra hoe avy aiza sy maika ho aiza fa dia misy moto misava lalana mihitsy sy mandidy ny fiara rehetra hikisaka, fantatra tsara anefa hoe sady tsy Filohan’ny fanavaozana io , tsy praiminisitra , tsy filohan’ny antenimierampirenena, tsy filohan’ny HCC fa dia mitrifana sy misongana ny rehetra tsotra izao. Miteraka fahasorenana ho an’ny fiarahamonina ilay izy ary lasa mampanontany tena ny maro hoe : moa va tsy izany no antony nanehoan-kevitra an-dalambe sy nitolomana ho amin’ny fanovana teto ? ka nhoana no mbola mamerina ny fanaon’ny teo aloha ihany ? Tsaroana eto ny resaky ny mpandinika iray nanao hoe : tsy hisy fanovana ho vita izany raha tsy ny fomba fisainana mihitsy aloha no miova sy mivoatra.
Ny Talata 19 sy alakamisy 21 mey 2026 lasa teo no nampatsiahy tao amin’ny pejy facebook’ny ny Tia Tanindrazana hoe sao mba mila erena ihany ireto manampahefana mipirilupo sy mampaneno kipantsona etsy sy eroa. Niteny sy nanamafy ny tokony hanaan’ny manampahefana ny lalàna ny tale kabinetran’ny PRRM ny faran’ny herinandro. Tafita izany ny hafatra.
RTT