airtel

Fifamoivoizana

26-oct-2021

Fifamoivoizana

Fiara mijanona eny amoron-dàlana Nanao fanentanana teny Ambohipo ny polisy

Sample post image

Isan'ny singa iray mahatonga ny fitohanan'ny fifamoivoizana na ihany koa mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny fijanonan'ireo fiara eny amoron-dàlana.

26-oct-2021

Mitohy ny fanentanana ataon'ny Polisy ho an'ireo mpamily mametraka ny fiarany eny amoron-dalana ka mety mahatonga fitohanan'ny fifamoivoizana ary mety hitera-doza ihany koa ho an'ireo mpampiasa lalana. Araka izany, nametrahana taratasy fanentanana ho an'ny mpamily ireo fiara mipetraka amoron-dàlana . Fanentanana miompana amin'ny fampahafantarana ny lalànan'ny fifamoivoizana sy ny antony tsy tokony hijanonan'ny fiara eny amoron-dalana. Tsy misy ny fanasaziana fa fanabeazana no nataon'ny Polisin'ny boriborintany faharoa, araka ny fampitam-baovaon’ny Polisim-pirenena. Teny amin’ny faritra Ambohipo moa no nanaovana io fanentanana io. Tsy eny ihany fa tokony hatao amina toerana maro ny fanentanana. Rehefa manana fiara dia na manana garazy na mametraka ny fiara any amin’ny “parking” mandoa vola, fa ity isaky ny sisin-dalana ity kosa aloha dia tena fositra ho an’ny fifamoivoizana sy ny filaminan’ny tanàna. Irariana noho izany mba hiitatra manerana ny Renivohitra ny fanentanana, ary arahina fanasaziana raha ilaina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap
22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap