potika avokoa ny fananana
Fiara Mini-Bus mpitatitra mpiasa (Personnel) iray no nifatratra tamin'ny trano iray misy toeram-pisotroana (Bar) sy mpanambotra Batterie, teny Antanety Ambohimamory Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano ny Sabotsy alina teo tokony ho tamin'ny 23h 25 mn tany ho any rehefa avy nanatitra mpiasa ka an-dàlana hiverina hody any Ambodirano Ambohimamory. Raha ny fahitan'ny nanatri-maso sy ny mpiara-monina ny zava-nisy dia vokatry ny tsy fahampiana torimaso teo amin’ilay mpamily sy ny fandehanana mafy no mety ho niteraka ny loza . Nanamafy izany koa moa ny resadresaka nataon'ny mpamily ilay fiara tamin'ny tompon’ilay trano voadona. Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy fa fahasimbana teo amin'ilay trano sy fiara no nisongadina. An-tapitrisany ny fatiantoka aterak’izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no nahazo ilay fiara sy trano izay samy simba avokoa !