airtel

Fifamoivoizana

23-août-2022

Fifamoivoizana

Fiara sprinter avy any Toamasina Nahatrarana toaka gasy 600 litatra

Sample post image

Lehilahy miisa telo no tratran’ny Polisy manao sakan-dalana teny Manjakandriana omaly alatsinainy 22 Aogositra tokony ho tamin’ny 02ora sy sasany maraina rehefa nitondra toaka gasy tsy ara-dalana.

23-août-2022

Fiara Sprinter avy any Toamasina no nahatrarana ireo toaka gasy ireo izay natao tao anatin’ny « fourgon. Natao tao anaty bidons miisa 30 amin’ny 20 litatra avy izay mitontaly 600 litatra ireo toaka gasy ireo. Nafenin’ireto tompon’entana tao ambany akondro manta ireo bidon ireo, raha tsiahivina. Noentina teny amin’ny kaomisarian’i Manjakandriana izy telo lahy taorian’izany ka anisan’ireny ilay mpamily sy ny tompon’entana. Raha araka ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo moa dia fantatra fa toaka gasy saika entina hiakatra aty an-drenivohitra ireto tratra ireto.
Pati
Legende : Ity ilay fiara tratra nitondra toaka gasy
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap