airtel

Fifamoivoizana

18-janv-2021

Fifamoivoizana

Fiara tra-doza tao Antsirabe Mamo sy avy nila vanona ny tao anatiny…

Sample post image

Fiara marika 205 GTI iray indray no nifatratra tamin’ny andrin’ireny tamban-

18-janv-2021

 

 

jotram-pifandraisana ireny ny alin’ny sabotsy  hifoha Alahady teo, efa tokony ho tamin’ny 2 maraina tany ho any teo Ampihaviana-Antsirabe, nanoloana an’ny Njato Hotel. Nipitika tany amin’ny 15 metatra any ilay fiara kely ary nivadibadika ka potika tanteraka. Voalaza fa naratra mafy avokoa ireo olona tao anatiny, raha ny filazan’ireo nanatri-maso, saingy tsy voafaritra mazava ny isany. Mpitari-posy iray nahita ny loza efa ny maraina no nijoro vavolombelona fa efa tany amin’ny tamin’ny 11 ora alina no nivezivezy eran’Antsirabe ity fiarakely ity ka vehivavy mpivaro-tena no fahitan’izy ireo ny tao anatiny, niisa 4 niaraka tamina lehilahy Rasta iray, izay namily ny fiara. Teo amin’ny toerana iray atao “Stone” izay ireo no efa hitan’ilay mpitari-posy ary nila vaniny tamina fiaran’ny vazaha iray sendra nandalo ka niantsoan’ilay vazaha polisy ary samy nirava nony avy eo, ary dia io hita ny nararaina io ny nahazo azy. Notsindrian’ilay mpitarika posy moa fa olona efa mamo avokoa ireo hitany ireo tamin’izany, raha ny fampitam-baovao. Hatramin’ny omaly alahady tamin’ny 9 ora maraina dia mbola teo foana ilay fiara fa tsy nisy naka aloha hatreto.

Toky R

Dans la même rubrique