airtel

Fifamoivoizana

20-mai-2026

Fiaraha-miasa : tafika - orinasa SAMCRETE

Miaramila misa 30 miofana momba ny fanamboaran-dalana

Sample post image

Miaramila miisa 30 avy eo anivon’ny Jenia Miaramila

20-mai-2026

no manaraka fiofanana momba ny fanamboaran-dalana eo anivon'ny SAMCRETE taorian’ny fifanarahana ara-teknika teo amin’ity orinasa ejipsiana ity sy ny Tafika Malagasy. Nijery akaiky ny fahaiza-manaon’ireo miaramila manaraka fiofanana ireo teny amin’ny ivon-toerana Ambohimahintsy, ny Jeneraly Pikulas Démosthène, Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Alatsinainy 18 may 2026. Nambarany fa nahitana vokatra mivaingana ny fiofanana, indrindra amin’ny fahaizan’ireo mpiofana mitantana milina goavana sy fiara vaventy samihafa ary koa manao ireo fitsirihina sy fanaraha-maso ny fomba fantanterahana ny asa. Ity fiofanana ity moa dia mikendry ny hanokatra lalana any amin’ny faritra saro-dalana eny ambanivohitra, ho famaliana ny filàn’ny vahoaka, ary efa misy fitaovana ho tonga hanohanana izany. Isan’ny tanjona ihany koa ny hanamafisana hatrany ny fahaiza-manaon’ny Tafika amin’ny sampana miandraikitra ny asa ara-teknika sy fanorenana, hahafahana mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena eo amin’izany sehatra izany.
Nangonin'i Jean D.
 

Dans la même rubrique

19-mai-2026

asa fanamboaran-dalana

Card image cap
19-mai-2026

Nametraka lamina sy paikady vaovao

Card image cap