airtel

Fifamoivoizana

25-févr-2026

Fiarana mpiasam-panjakana

nahafaty olona

Sample post image

Nakisany fotsiny ilay faty dia namonjy birao izy

25-févr-2026

Zazalahy 3 taona no maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiara nentina ramatoa mpiasam-panjakana iray tany Ampasimpotsy, Fenoarivo atsinanana omaly maraina, raha ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana. Nilaza ireo nanatri-maso teny an-toerana fa rehefa nahavoahitsaka ilay zaza ity mpiasam-panjakana ity dia nakisany fotsiny ny razana. Mbola lasa namonjy ny birao fiasany ihany ny tenany avy eo. Ny mpiara-miasa aminy no nampandre ny mpitandro filaminana nandeha nanao ny "constatation" na nijery ifotony ny tranga nisy nahatonga ity famoizana aina ity, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Andrasana, araka izany, ny tohin'ny raharaha ary inoana fa tsy apetraka fotsiny amin'izao ity ramatoa nahavanon-doza ity.
Nangonin'i J. Mirija

 

Dans la même rubrique