airtel

Fifamoivoizana

08-avril-2021

Fifamoivoizana

Fidirana sy fivoahana an’i Madagasikara Mitohy ny sidina manokan’ny Air France

Sample post image

Mitohy ny fivezivezena mivoaka sy miditra an’i Madagasikara ho an’ny Kaompania Air France noho ny

08-avril-2021

 

 fikarakarana sidina manokana eo ambany fiahian’ny Masoivoho Frantsay eto amintsika. Nambaran’ny Fiadidian’ny Masoivoho Frantsay, fa mifandray akaiky amin’ny manam-pahefana Malagasy izy ireo amin’izany ao anatin’ny fampodiana olona avy eto makany Paris sy ny avy any mankaty. Isaky ny sabotsy ny sidina avy any miditra eto Madagasikara, ary isaky alatsinainy kosa ny miverina. Hatramin’ny faran’ny volana aprily io, raha ny voarakitry ny fangatahana napetraky ny Masoivoho Frantsay tamin’ny manam-pahefana Malagasy, hoy ny fampahafantarana. Etsy amin’ny Ivon’ny Air France ao amin’ny Tour Zital Ankorondrano ireo mpandeha maniry ny hisitraka izany sidina manokana izany.

MIZANA TSINDRIAN’ILA ?
 Resahin’ny mpitondra Malagasy foana ny hoe mbola mikatona ny habakabak’i Madagasikara, ary vao ny 03 aprily lasa teo no nanamafy izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Misy foana anefa ny sidina manokana, ary tsy entana no taterina eto fa tena olona. Resabe ny fikatonan’ny habakabaka, fa tena misy ny mandeha hatrany, ary vao ny 05 aprily teo, ohatra, no nisy sidina nampifandray an’I Madagasikara sy Johannesbourg Afrika Atsimo, izay tsy fantatra intsony na olona no notateriny na sanatria volamena. Ny ato anatiny kosa fehezina ny zotra nasionaly hifehezana ny covid-19, izay mahatonga ny olona hitsara fa natao ho an’ny madinika ny lalàna. Samy fisorohana ny valanaretina avokoa no nametrahana ireo fepetra roa ireo, saingy misy ny mihatra fa ao ny toa hasiana hena-maso ka mandeha ihany. Azo atao tsara ny mametraka fepetra hentitra samihafa fa avela hivezivezy ny Malagasy, toy ny fanaovana fitiliana ho an’izay hivoaka ny faritra. Fanotaniana iray nipetraka tao anatin’ny tambajotran-tsosialy ny hoe: Raha Antananarivo-Antsirabe, fiara mitondra fianankaviana ve mety ho afaka ihany? Tsotra ny valin-teny nataon’ny eo anivon’ny zandarimaria tamin’ny alalan’ny “InfoCom Seg” fa “ny mpamily migadra, ny mpandeha voasazy manao TIG sy miverina an-tongotra, ny fiara fourrière”. Mitovy tantana eo anatrehan’ny mpitondra ve ny vahoaka Malagasy?

Toky R

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Tena tsy maharaka ny filan’ny mponin’Itaosy intsony ny isan’ireo taxibe miasa eny an-toerana.

Card image cap
15-avril-2024

Toy ny tany amin’ireo fokontany samihafa tao anatin’ny Boriborintany faha-6 dia

Card image cap
15-avril-2024

Miha miakatra tsikelikely ny tanan-dehibe ihany izy ity. Efa feno moa izao ao Andoharanofotsy ao itony posy tarihiny bisikileta na Cyclo-pousse itony.

Card image cap
15-avril-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Andoharanofotsy Atsimondrano,

Card image cap