airtel

Fifamoivoizana

13-sept-2022

Fifamoivoizana

Fifamoivoizana Avy amin’ny mpamily no mahatonga ny 90%n’ny loza

Sample post image

Avy amin’ny mpamily no antony mahatonga ny 90%-n’ireo lozam-pifamoivoizana any amin’ny lalam-pirenena.

13-sept-2022

Raha tsiahivina kely dia saika isan’andro no nandrenesana izany nandritra ny vakansy lehibe farany teo antony nanosika ireo tompon’andraikitra hanao fanadihadiana. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa vokatry ny harerahan’ny mpamily amin’ny ankapobeny no mahatonga ny loza arahin’ny tsy fitandremana rehefa mitondra fiara. Anisan’ireny ny fandehanana mafy, ny fanenjehana dona miverina…. Amin’ny ankapobeny anefa raha araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra hatrany dia tsy maintsy mpamily roa no mifandimby mitondra fiara iray raha vantany vao mihoatra ny 450 km ilay lalana aleha. Ho hentitra amin’ny fampanarahana izany lalana izany araka izany ireo tompon’andraikitra misahana ny fifamoivoizana manomboka izao hahatrarana ilay tanjona tsy misy lozam-pifamoivoizana na zero accident.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Efa vita 100% ny fotodrafitrasa etsy Ivandry, toerana fiantsonana lehibe indrindra,

Card image cap
07-févr-2025

Namono olona indray ny moto na kodiaran-droa omaly alakamisy 06 Febroary teny amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka.

Card image cap