airtel

Fifamoivoizana

09-févr-2024

FIFAMOIVOIZANA ENY ALASORA

Hampiasa « taquet d’arrêt » ny kaominina

Sample post image

Anisan’ny lalana tena tery nefa tsy maintsy hifanenan’ny

09-févr-2024

fiara roa samihafa ny lalana miazo ny tampon-tananan’Alasora, distrikan’Avaradrano. Ny mahavariana anefa raha ny zavatra hita eny an-toerana dia mbola misy amin’ireo mpamily fiara sasany ihany no manajanona fahatany ny fiarany eny amin’izay toerana tiany rehetra eny. Vao mainka mihatery ny lalana vokatr’izany ary ahiana hitera-doza mihitsy indrindra fa amin’ny fotoana firavana sy fidiran’ny mpianatra. Mba ho fifampitaizana ary dia fantatra fa hampiasa taquet d’arret ny kaominina Alasora manomboka amin’ireo herinandro ho avy io ho an’ireo fiara tsy manara-dalana raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy. Na izany aza dia efa nanomboka tamin’ity herinandro ity kosa ny fametrahana ireo karazana fitaovana kely fampahafantarana izany na ny panneaux de signalisation ho an’ireo toerana tsy azo hijanona rehetra hahafantaran’ireo mpamily fiara ny tokony hataony. Tanjona ny hisian’ny fifampitaizana eo amin’ny mpampiasa lalana sy ny kaominina raha eo ihany koa ny fiarovana ny aim-bahoaka. Mahatratra 10 isan’andro mantsy ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.
Pati
Legende : Tahaka ity amin’ny sary ity ilay fitaovana hapetaka amin’ny kodiaran’ireo fiara mijanonjanona fahatany eny amin’ny lalana miazo an’Alasora !

 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap