airtel

Fifamoivoizana

15-févr-2024

Fifandraisana an’habakabaka

Raikitra ny ketrika sidina mivantana Dubaï-Madagasikara

Sample post image

Nifantoka tamin’ny fanatsarana ny fitaterana an’habakabaka sy ny fizahantany

15-févr-2024

eto Madagasikara ny fifampiresahana teo amin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Filoha mpitantana ny Emirates Airline & Group, Son altesse Sheikh Ahmed Bin Saeed Al Maktoum, hoy ny fampitam-baovaon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Naneho ny faniriany ny hisokafan'ny sidina mivantana mampitohy an'i Dubaï sy Madagasikara ity Filohana vondron'orinasa ity, hoy ny fampitam-baovao. Hiroso miandalana ireo dingana fanatanterahana izany ka hapetraka ny komity ivondronan’ireo tompon’andraikitra sy tekinisianina Malagasy, ary ireo avy amin’ny orinasa Emirates, handrafetana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Emirates Airlines. Amin’ny lafiny miabo, zava-dehibe izany eo amin’ny fifandraisana ara-toekarena, ara-pizahantany satria mbola miampitapita hatramin’izay raha avy eto makany Dubaï na avy any mankaty. Amin’ny lafiny miiba kosa, tonga ao an-tsaina avy hatrany vao miresaka Dubaï ny resaka trafikana volamena avy eto Madagasikara makany amin’io firenena io. Firifiry moa ny fahatrarana volamena avy eto amintsika nokasaina haondrana hatrany ankoatra ireo tsy tratra ? Am-polo taonina fa tsy amin’ny kilao ny volamenantsika miondrana any saingy tsy hita izay tena tamberiny ka amin’ny lafiny iray dia sao hanamora na hanamorana an’io ity fanokafana sidina mivantana ity ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap
14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap