Efa mifanaretsaka na ny olona na ny fiara, midika fa nahomby ny fifindrana ety Amoronankona, hoy ny Minisitry ny Fitaterana Herizo Andrianavalona omaly 16 septambra 2026, andro voalohany nifindran’ireo taksibrosy avy etsy amin’ny Fasan’ny. Naneho fiombonana alahelo amin’ny fianankavian’ilay olona namoy ny ainy iny, ary niirary fahasitranana ho an’ireo naratra ny tenany. Nanamafy ny Minisitra fa miezaka ny eo anivon’ny Minisitera ary manoka-baravarana hatrany hifampiresaka amin’ireo olona izay mbola misalasala amin’ny fifindrana eny, misokatra amin’ny fifampiresahana amin’ny ankolafy rehetra izay manana eritreritra hafa na tolo-kevitra hafa. Zava-dehibe amin’ny Malagasy ny hoe : « ny isavorovoroan-kilatoana, fa efa mijanona hatreo ny adihevitra hoe Amoronankona sa Fasan’ny karana satria ny zavatra hita dia nanaiky halamina ny mpitatitra amin’ny ankampobeny, porofo mitohaka amin’ny tenda ny fiara an-jatony efa tonga teny Amoronankona, ireo efa nanainga avy eny avokoa fa tsy nisy niainga tany amin’ny toeran-kafa. Nangina tanteraka sy nangadihady moa ny tetsy Fasan’ny Karana omaly, izay nampihena kokoa ny fitohanana teny an-toerana. Eo amin’ny 80-90% amin’ny koperativa no efa nanaiky ny fandaminana, raha ny nambaran’ity Minisitra ity. Ny zava-dehibe amin’izao, hoy ny Minisitra, dia ny hibanjinana sy hampandehanana an’io Toby fiantsonana io. Efa nisy ny lamina niarahana nandinika tamin’ireo kaominina voakasika tamin’ny alalan’ny Ben’ny tanànan’Alasora, Ambohimangakely, Ambohimanambola, ny mpitantana eto Antananarivo Renivohitra. Nanipika ny Minisitra fa sarotiny amin’ny gaboraraka, mba tsy hoe niala tary dia ho sary ohatran’iny ihany no hitranga, ny olona very entana, voaarona ny paosiny,… ka hiaraka hiasa amin’ny mpitandro ny filaminana. Anjaran’ny mpitantana ny tobim-piantsonana ny manao ny fandaminana ankampobeny satria izy no napetraka hitantana an’io, hampanaraka ny teknolojia ny zavatra rehetra. Eo ihany koa ny tsy hisian’ny fanararaotana toy ny samy manao izay tiany rehefa fety ny andro ka hafa ny saran-dalana etsy sy eroa.
Toky R