airtel

Fifamoivoizana

03-sept-2021

Fifamoivoizana

Fihaonan’i Barea sy Bénin Safotry ny fitohanana Antananarivo

Sample post image

Safotry ny fitohanan’ny fifamoivoizana omaly i Antananarivo nialohan’ny lalao nihaonan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea sy ny ekipan’I Benin.

03-sept-2021

Notapahana moa ny lalana ho an’ny manodidina an’iny Kianja Barea etsy Mahamasina iny. Ora iray no faharetan’ny zotra anaty fiara niainga teo Analakely nihazo an’Anosy ary voatery mihodidina ity farihy ity izay hijery ny lalao na koa hihazo ireo faritra hafa toy ny any Namontana sy Akadimbahoaka. Tsy nisy toerana izay tsy nahitana fitohanana niteraka fahasorenana, indrindra, ho an’ireo nampiasa fiara. Na ny avy eo Ankadimbahoaka nihazo an’i Tsimbazaza io na ny taty amin’ny manodidina an’Analakely sy Behoririka taty, indrindra, nanomboka teny amin’ny 12 ora tolakandro teny. Tsiahivina hatrany moa fa tamin’ny 7 ora alina no nanomboka iny baolina omaly iny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique