airtel

Fifamoivoizana

13-oct-2022

Fifamoivoizana

Fikambanan’ny Taxi Tsy hanaiky ny tsindrihazolena

Sample post image

Nampiaka-peo indray ny Fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra na ny FTAR eo anatrehan’ireo lafin-javatra mahakasika azy ireo mivantana na ankolaka.

13-oct-2022

Momba ny Taxi-moto, nolanian’ny mpanolotsaina ny maha ara-dalàna azy, mbola tsy nivoaka ofisialy izany kanefa efa miasa ireo. Milaza hiady hatrany ny FTAR amin’ny maha tsy ara-dalàna ny fomba nentina nandaniana an’io amboletra, ka haka mpisolovava hitondra ny fangatahana ny handefasana azy eny amin’ny Fitsarana Anosy. Mitaky ny hamoahana ny “Licence Taxi” izay nampanantenaiń’ny Beń’ny Tanàna fa vita iray andro tany am-boalohany kanefa 3000 ihany no navoakany raha tokony 7800 teo ny isan’ny Taxi voarakitra ara-dalàna. Afak’omaly vao mody namoaka Licence 480 isa ny kaominina, raha ny fanamarihan’ny FTAR. Ny resaka “stationnement Taxi” kasaina hofoananana fa halalahana ary handoa “droit de stationnement journalier” 3000 Ar tsirairay dia tsy ekena fa ny tetibolańny kaominina ihany no arahana ka handoa ny “droit” ara-dalàna 20 000 Ar isaky ny 4 volana izahay, hoy ny FTAR. Tsy manaiky ny “visite de conformité” na “contre visite” taloha izay fizahana ny kalitaoń’ny fiara Taxi miasa izy ireo, ka ny loko ivelany, “capitonnage” sy “fonon-tseza”, “plafond”, ary ny fahadiovańny fiara amin’ny ankapobeny. Tsy hoe tsy te hanara-dalàna fa noho ny fihibohana covid-19 sy ny fisondrotry ny vidim-piainana, ny halafoń’ny kojakoja fanolo amiń’ny fiara, ny haratsiń’ny lalana tsy mifanaraka amin’ny fenitra an-tanan-dehibe, tsy vitan’ny maso mijery fotsiny io “visite” io fa hampiasana “appareil” na fitaovana avo lenta, ka betsaka ny fiara hihintsana nefa io fivelomana misy hatreto izay miantoka ny fikojana ny fiara, hiveloman’ny mpamily sy ny tompon’ny fiara, hoy hatrany ireo mpanao taxi. Fantatra omaly fa hitsangana ny komitin’ny Taxis hiaro sy hiady ny tombotsoan’ny Taxi amin’ny lafiny samihafa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Tena tsy maharaka ny filan’ny mponin’Itaosy intsony ny isan’ireo taxibe miasa eny an-toerana.

Card image cap
15-avril-2024

Toy ny tany amin’ireo fokontany samihafa tao anatin’ny Boriborintany faha-6 dia

Card image cap
15-avril-2024

Miha miakatra tsikelikely ny tanan-dehibe ihany izy ity. Efa feno moa izao ao Andoharanofotsy ao itony posy tarihiny bisikileta na Cyclo-pousse itony.

Card image cap
15-avril-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Andoharanofotsy Atsimondrano,

Card image cap