airtel

Fifamoivoizana

30-nov-2021

Fifamoivoizana

Fisamborana teny Anosy Niaro ireo Taxi-moto ny vahoaka

Sample post image

Niverina nihamafy ny hazalambo sy famongorana ireo “taxi-moto” eto Antananarivo. Tetsy Anosy no nanaovan’ireo polisy kaominaly izany ho an’ny omaly.

30-nov-2021

 Nosamborin'ireo polisy monisipaly eo anivon'ny CUA ireo mantsy ireo mikarama manao taxi-moto, nalain’izy ireo ny taratasy sy ny moto. Tetsy an-kilany, tezitra noho izany fihetsika izany ireo olona teny amin'ny manodidina ary niara-niaro ireo taxi-moto. Raikitra ny savorovoro teo amin'ireo polisy monisipaly sy ny taxi-moto ireo izay narovan’ny olona, tonga hatrany amin’ny fibahanana arabe mihitsy. Noho izany, naverin’ ireo polisy ny “papier” an'ireo moto ary 22 000 ariary no voalaza fa saran’ny famoahana ny “moto” any amin’ny valam-pamonjana na « fourrière ». Adihevitra tsy mety tapitra ity raharaha “taxi-moto” ity, izay tsiahivina fa efa nandalo fandinihana sy fandaniana teo anivon’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo, saingy tsy lany. Raha raisina amin’ny lalàna, dia tsy ara-dalàna izany mazava ho azy ny fisian’izy ireo. Ara-piarahamonina sy ara-toekarena ary ara-tsosialy kosa dia mandeha ny adihevitra fa mora kokoa sy mahavonjy amin’ny fotoana ilàna azy izy ireto. Mandeha ihany koa ny fivoizana, fa amin’izao krizy izao dia tokony havela malalaka ity seha-pihariana iray ity. Tsy mankasitraka izany kosa ireo mandoa hetra sy mandoa vola ara-dalàna amin’ny Fanjakana toy ny taxi. Raha samy hanao izay saim-patany sy izay tiany daholo tokoa moa izany dia hanao ahoana marina no hiafarantsika? Izy ireo ihany koa anefa etsy andaniny dia efa namerina naneho, fa vonona hiditra amin’ny ara-dalàna, ary tokony hiverenana dinihina ity raharaha ity. Zava-dehibe ny fidirana sy ny fampidirana amin’ny sehatra ara-dalàna, saingy sarotra moa ny fifehezana azy io. Lojika anefa raha mahazo vahana ny tsy ara-dalàna, ary porofo iray ny tenin’ny Filoha teo anatrehan’ny fanambaran’ny Tale Jeneralin’ny hetra momba ny varotra an-tserasera na “vente en ligne” tokony hanara-dalàna sy handoa hetra, saingy ny Filoham-pirenena no niditra an-tsehatra nilaza fa avelao ny tanora hiasa.

Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap