airtel

Fifamoivoizana

08-nov-2021

Fifamoivoizana

Fisokafan’ny sisin-tany Maro ireo nimenomenona teny Ivato

Sample post image

Niverina nisokatra nanomboka tamin'ny 06 novambra ny sisin-tanin'i Madagasikara ho an'ireo sidina ara-barotra avy any Eoropa 20 volana taorian’ny fikatonana nanomboka ny 20 martsa 2020.

08-nov-2021

 Mpandeha miisa 400 nandray ny sidina Air France sy 240 nandray ny sidina Air Madagascar no nisantatra izany raha ny nambaran'ny Minisitry ny fitaterana Tinoka Roberto. Nigadona teny Ivato ny sabotsy nifoha omaly alahady tamin’ny 00:40 ny sidin’ny Air France, raha toa ka omaly alahady maraina kosa no nigadona ny fiaramanidina an’ny Air Madagascar. Tsara kosa ny manamarika sy mampahatsiahy, fa tsy manana fiaramanidina manokana tena azy afaka manao sidina lavitra na “long courier” ny Air Madagascar satria raha ny fanazavan-dRtoa Rinah Rakotomanga Mpikamban’ny Filankevi-pitanana vao tsy ela, dia mbola handalo fitsirihana ireo Airbus A340 roa novidiana tamin’ny tetezamita. Tsy misy fe-potoana mazava maneho ny ahafahan’ireo miasa. Noho izany indrindra ny fiaramanidiana “Dreamliner” an’ny Air Europa no nofain’ny Air Madagascar nitondra ireo mpandeha 240 vao tonga ireo. Raha ny fanazavana efa nentin’io tompon’andraikitra io ihany koa dia 6000 dolara isan’ora eo izay manome 21 000 000Ar any ho any no hanofan’ny Air Madagascar fiaramanidina. Amin’ity volana novambra ity, sidina roa isan-kerinandro no vinavinain’ny Air Madagascar miainga eto Antananarivo-Paris ny alatsinainy sy zoma, ary Paris-Antananarivo kosa ny alarobia sy sabotsy. Mandra-piandry ny tena fiaramanidiny mahaleotena, dia mbola io Dreamliner an’ny Air Europa io aloha izany no hofaina. Mila manao fitiliana PCR eo am-pahatongavana amin’ny sarany 25 euros na 122 500Ar eo ho eo ny mpandeha eo am-pahatongavana, ary mandray “navette” manokana mankany amin’ny hotely izay natokana hanaovany fihibohana miandry ny valin’ny fitiliana. 24-48 ora ny fihibohana tsy maintsy atao, ary ny tsy fanajana izany dia miteraka fanasaziana, araka ny fepetra napetraky ny Fanjakana.


TSY MIRINDRA NY ASA
Maro kosa ny fitarainana teny Ivato: adin’ny efatra mahery vao tafavoaka tao ny mpandeha. Feno hipoka ny fiaramanidina satria efa ela no niandrasan’ny rehetra ity fotoana ity. Nisy fahatarana adin’ny roa ny fihaingana noho ny famoahana avy ao anaty raopilanina ny entan’ireo mpandeha tsy nahavita fitiliana PCR, hoy ny fanamarihana. Vao tonga teo Ivato dia nanomboka ny filaharana tsy nisy farany: fandoavana volan’ny test PCR, fanaovana fitiliana, Fangalana entana izay tena misafotofoto be, fandalovana amin’ny scanner, fandoavana vola amin’ny navette, fangalana “numéro” amin’ny “navette”,… Lany ny adin’ny efatra mahery teo am-pilaharana. Tena mahamenatra ary manala-baraka ny firenena ny zava-nitranga. Eritrereto ny faharerahan’ireo mpandeha? Tamin’ny 05ora maraina vao niainga ny “bus” nitondra anay. Fa inona ireny fikarakarana, fivoriana, ny fidinana am-potony nataonareo ireny? Izao ve ny vokany? Raha nanontaniako ny mpiasa iray tao hoe fa inona izao korontana izao dia izao ny valinteniny « tsy nampoizinay ho betsaka ohatr’izao ny mpandeha ho tonga », hoy ny fitarainan’ny mpandeha iray.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap