airtel

Fifamoivoizana

02-sept-2022

Fifamoivoizana

Fitantanana firenena Efa tena tsy zakan-dRajoelina intsony

Sample post image

Krizy lalina ary mihalalina hatrany! Tsy vitan’ny Fanjakana Rajoelina intsony ny fitantanana ny firenena, miha rendrika hatrany i Madagasikara,

02-sept-2022

tsy mahavaha olana fa mitady izay hanilihana na mampanatena valala eny an-danitra lava. Mbola mahita izao vina kisampotsampona izao satria raha ny antontan-kevitra hita any ho any dia mikasa hanao tonelina miainga eo Ampatsakana ambadiky ny CNaPS mipoitra any Antaninarenina mitentina 80 tapitrisa dolara na 300 miliara Ar eo ny Fanjakana. 68% ny tahan’ny olona mahantra tamin’ny taona 2008 nialohan’ny fanonganam-panjakana, 73% tamin’ny taona 2018 nialohan’ny nahazoana fahefana indray, tafakatra 81% izy ankehitriny, ary mety ho tonga 90% hatramin’ny 2023 raha izao no mitohy. Ny sandam-bola miha mitotongana, ny vidim-piainana miha midangana, ny politika ara-pitantana sy ny vinam-piarahamonina, ary ny politika ara-toekarena poakaty. Tafiditra lalina anaty krizy ny firenena, mikorontana tanteraka ny fiarahamonina, tsy marin-toerana intsony ny fahefam-panjakana,... Ny ara-politika sy ara-diplamaosia tsy mipetraka ny fitokisan’ny mpiara-miombon’antoka, toy ny lafiny fifidianana, ny fitantanana ara-bola toy ny 444 tapitrisa dolara tamin’ny coronavirus,… Ny ady amin’ny kolikoly ratsy ny naoty, ny resaka demokrasia mihemotra, ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety very toerana 41, ny trafikana volamena miteraka laza ratsy satria ny hatrany anaty minisiteram-panjakana manjavona,… Manomboka refesin’ny vahoaka ny fahefam-panjakana noho tsy fisian’ny fitokisana intsony, ka porofo velona ireny tany Ikongo ireny. Ny mpitondra Fanjakana etsy andaniny maro ny mamoa-tsampona sy manala baraka. Tao anatin’ity Fitondrana ity no nahenoana hadalana mpitondra Fanjakana betsaka indrindra tao anatin’ny 60 taona, raha tsy hilaza afatsy ilay antony nanalana ny governoran’Alaotra, ny raharaha mikasika minisitra maromaro izay misy ny nesorina misy ny mbola ao, ny afera sy ny kolikoly goavana,… Maty hasina, ary tsy misy hajany intsony ilay Fanjakana, saingy mbola misy avo vava ihany. Miezaka mampitodika ny saim-bahoaka any amina zavatra tsy dia manao ahoana na “diversion” sisa. Amin’ny fanaovana “récuperation politique” sisa no hihazakazahana hoe: inona no azo tsabahana sy hampalazana tena, fa raha izay fandehanan’ny raharaham-panjakana sy ny fampandrosoana amin’ny laoniny efa tsy misy intsony.
TSY MISY VOLA, OLANA NY SEHATRA REHETRA
Endrika isehoan’ny krizy io tsy fahaloavana vola amin’ny sehatra maro io, ary toa efa tonga ao anatin’ny antsoina hoe: “cessation de paiement” matoa tsy voaloa ny karama any amin’ny orinasam-panjakana maro: FCE, SECREN, CNAPMAD,… Ny orinasam-panjakana betsaka no maty sy mitsipozipozy: Air Madagascar, Jirama, CNaPS,… Mirarakopana ny grevy etsy sy eroa tahaka ny vatsim-pianarana izay efa tamin’ny volana martsa 2021 no nilazan-dRajoelina fa afaka iray volana sy tapany dia hahazo “carte bancaire” ny mpianatra ary tsy hisy fahatarana intsony kanefa mandrak’ity ny androany grevy foana. Dia mbola holazaina sy hoboriboriana amin’ny hoe: misy ambadika politika? Tsy misy hidiran’ny coronavirus na ny ady any Ukraine mihitsy ny tsy fandoavan’ny Fanjakana ny vola samihafa, toy io vatsim-pianarana io, ny volan’ny orinasa mpanao làlana,… Lany ny volan’ny CNaPS loarana isaky ny misy olana?
Toky R 

Dans la même rubrique