fa mihodina na manary an-dalana ny zandarimaria mba hiantso azy ireo manoloana izany. Tsy maintsy soratana eo amin'ny takela-jotra na «plaque» ny toerana hiaingana sy hitodihana, ohatra : Anosy - CUR Vontovorona, ary tokana, araka ny fahazoan-dalana na «licence» ihany ny "plaque" tokony ho hita ao anaty taksibe iray, hoy hatrany ny Zandarimaria ao amin’ny kaominin’i Fenoarivo. Tsy ny ao Fenoarivo ihany moa no efa zary lalan-kitan-kisoan’ireo mpanao fitateram-bahoaka ity resaka miodina an-dalana sy tsy fanaterana hatrany amin’ny farany ity fa tena anjakan’izany koa aza ny eto an-drenivohitra. Isan’ny zotra tena mampijaly ireo mpandeha, ohatra, ny 154, izay mpampifandray an’Amboditsiry, Anosy, Vasacoss, hatrany Tanjombato ity, izay amin’ny 4 ora tolakandro dia efa mamonjy fodiana ny androatokony. Manao izany fanariana an-dalana izany koa anefa ireo zotra hafa rehefa manomboka amin’ny 5 ora no mankany eo. Heverina, noho izany, fa tsara alain-tahak’ireo mpitandro filaminana ety an-tanàn-dehibe ity fitantanana fifamoivoizana ao Fenoarivo ity.
J. Mirija