airtel

Fifamoivoizana

01-juil-2021

Fifamoivoizana

Fitateram-bahoaka Manomboka miverina ny taingim-be

Sample post image

Miha miverina indray ny taingim-be eny anivon’ireo fiara fitateram-bahoaka eto Antananarivo sy ny manodidina, raha ny tsikaritra tato ho ato.

01-juil-2021

Tranga saika hita hatrany io, indrindra, aorian’ny fotoana ilazan’ny mpitondra fa nihena ny tarehimarika na ny isan’ireo marary sy matin’ity valanaretina Coronavirus mbola tsy afaka eto Madagasikara ity. Efa hita io tamin’ny andiany voalohany ary io miverina io indray ao anatin’izao fifaranan’ny andiany faharoa amin’ny hahamehana ara-pahasalamana izao. Antony, raha ny fitarainan’ireo mpitatitra dia noho ny fihenan’ny vola miditra amin’izy nefa ny fiainana miha sarotra. Ny taingim-be eo ihany, fa anisan’ny mampitaraina olona amin’ny Taxi be an’Antananarivo ihany koa ny fampifangaroana ny entana misavovona sy olona.Misy ny entana tena azo vimbinina, fa misy kosa ireo mibahana tanterakka ary mety handratra mihitsy aza.Tsy efa fotoana ihany koa ve izao handinihana hoe ahoana ny atao amin’ireo mitondra entana maro isan-karazany fa mba tsy mety kosa angamba ilay olombelona miaraka amin’ny fatapera sy ny gony be ana friperie ary akoho ao anaty taxi be e !

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap