airtel

Fifamoivoizana

27-févr-2024

Fitateram-bahoaka mikorotan-dava

Misy vahaolana handaminana azy raha vonona hivoatra marina

Sample post image

Efa nisy fiara fitateram-bahoaka, nantsoina ihany koa hoe jono

27-févr-2024

botry na taxi be teto Antananarivo renivohitra nanomboka ny taona 50, izany hoe mialohan’ny nahazoana ny fahaleovantena.Efa ho 70 taona teo ho eo izany.
IREO FIARA FAHINY
Fiara lehibe mahazaka olona mipetraka sy mitsangana 40 ka hatramin’ny 60 no betsaka teto ny taona 70, 80. Somary nivoatra kely io taorian’ny taona 90 rehefa niova niaraka tamin’ny tolon’ny herivelona ny tantaram-pirenena. Niditra teto ireo taxi be somary kelikely hadiry kokoa, nantsoina hoe Buxi. Niroborobo amin’izay ny sehatra avy eo ka nitombo isa sy marika ny fiara niditra : Mitsubishi Tata, Mercedes…Nitombo isa ireo koperativa, ary mbola hita miriaria hatramin’izao taona 2024 izao manerana ny tanana ireo Mercedes mpanao taxi be na taxibrousse.Ny sprinter moa no tena malaza.
TSY MIRINDRA NY FOMBA FIASA
Fa na dia nitombo be aza ny isan’ireo fiara dia toa tsy maharaka ihany ny isan’ny olona amin’ny fotoana ilan’ny olona azy ireo taxi be.Tsy tapaka filaharana sy hazakazaka arahana ankisisika eto Antananarivo.Vitsy ireo koperativa mahay mandamina ny olona hilahatra fa tsy hifandrombaka. Maraina misisika, atoandro misisika, hariva misisika…raha aorian’ny amin’ny 6 ora hariva izany moa no mikasa hody dia efa fahasahiranana goavana.
TSY TE HAHALALA NY HAFA
Azo alamina tsara anefa ny fitateram-bahoaka raha tena handamina, satria maro ny koperativa manana fiara efa ho 200 , 300. Saingy ny hameno « versement » no hita ho tena maha maika ny 90% n’ireo mpitatitra, hany ka adino fa manao asam-bahoaka, mitatitra vahoaka izy ireo.Tsy misy miraharaha intsony ny bokin’andraikitra fa samy manao izay tiany.Tokony hiasa amin’ny 5 ora maraina ka hatramin’ny 8 ora alina ohatra ny taxi be eto Antananarivo. Fa dia vitsy dia vitsy no manaja izany.Ny resaka fahadiovana tena mampahonena, ny tsy fanajana mpandeha manginy fotsiny.
FANDAMINANA
Azo alamina tsara anefa ny fitateram-bahoaka raha tena samy mandray ny andraikiny ny 3 tonta dia ny minisitera mpiahy, ny koperativa ary ny tompon’ny fiara. Amin’izao andron’ny fivoaran’ny teknôlôjia izao, azo atao tsara ny mametraka rindram-baiko na logiciel mandamina ny fifamezivezena sy fifandimbiasan’ireo fiara ao amina zotra iray (ora fiaingana, fotoana lany eny an-dalana, ora fahatongavana¬). Azo atao tsara ny mandamina ny fandoavana saran-dalana sy fametrahana tapakila elektronika mifanandrify amin’ny fahefa-mividin ‘ny tsirairay tahaka ireny fahana ampiasaina amin’ny finday ireny. Tsy tokony hivangongo ao amina toeram-piantsonana iray ny ankamaroan’ny fiara fa tsinjaraina, azo atao tsara izany rehefa fantatra hoe aiza sy aiza avy sy amin’ny firy no feno olona milahatra. Tsy kajy an-kandrina na tombatombana fotsiny no hanaovana izany rehetra izany fa tena fandrindrana asa ary fampiasana ny teknôlôjia nomerika. Ary samy mandray ny andraikiny araka ny tokony ho izy.
RTT
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap
14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap