zotran-dalamby Fianarantsoa Côte-Est na FCE. Nisy ny lanonana nentina nankalazaina izany natao tao Fianarantsoa ny zoma 10 Aprily 2026 teo. Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Fampanatarana ny Toetrandro, Andrianavalona Ramanambola Herizo. “Tsy avela ho rodanan ny FCE”, hoy izy, ary "efa mipetraka ny vina sy ny drafitra mazava hanarenana sy hanatsarana ity zotra manan-danja ity". Nasongadin'ny Minisitra fa laharam-pahamehana ny fanavaozana sy fanarenana ireo fotodrafitrasa, ho fanomezana aina vaovao ny FCE. Fotodrafitrasa iray manan-danja lehibe amin’ny fiainan’ireo mponina manerana ny Faritra roa izay lalovany : Matsiatra Ambony sy Fitovinany rahateo ny FCE. Izy no manamora ny fivezivezena, manohana ny toekarena ifotony ary mampiroborobo ny fizahantany. Na dia eo aza ireo fanamby maro sedrain’ny FCE amin’izao fotoana izao, dia tsy mihemotra ny ezaka ataon’ny orinasa sy ny mpiasa. Manohana tanteraka izany ny Ministera amin’ny alalan’ny paikady mazava dia ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasa, fanavaozana ny fitaovana, ary fitadiavana fiaraha-miasa sy famatsiam-bola, na eto an-toerana na any ivelany. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nahazo loka tamin’ny fifaninanana famoronana sary famantarana ho fahatsiarovana ny faha-90 taona.
Nangonin'i Jean D. Zotran-dalamby isany tranainy ny FCE