airtel

Fifamoivoizana

04-mars-2021

Fifamoivoizana

Fitaterana an-dalamby zotra FCE Efa miasa ireo lohamasinina miisa 3 vao nafarana

Sample post image

Nahazo lohamasinina miisa 3 ny zotra FCE (Fianarantsoa Côte-Est) araka ny fampanantenana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina.

04-mars-2021

 Efa miasa izy ireo amin’izao fotoana. Nisafidy ny handeha tamin’ny zotra FCE, ramatoa Mialy Rajoelina, vadin’ny Filoham-pirenena, raha hihazo ny Kaominina Sahambavy any Fianarantsoa, ny talata teo, mandritra ny fitsidiham-paritra ataony tafiditra amin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Kitro ifaharan’ny toekarena sy ny fizahantany amin’iny faritra Matsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany iny ny zotra FCE. Maro ireo tanàna tsy tongan’ny fitaovam-pitaterana ankoatra ny lamasinina. Manampy betsaka ny tantsaka amin’ireo tanàna sy Kaominina lalovany ny zotra FCE amin’ny famoahana vokatra.

Jean D.

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap
22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap