airtel

Fifamoivoizana

12-oct-2022

Fifamoivoizana

Fitaterana an-drenivohitra Tsy hitan’ny karatra intsony ilay teleferika…

Sample post image

Dila izay ny herintaona mahery satria ny 20 septambra 2021 no natao Sonia tao amin’ny Minisitera misahana an’i Eoropa sy ny Raharaham-bahiny tao Paris ny fanaovan-tsonian'ny

12-oct-2022

fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny Tahirim-bolam-panjakana Frantsay, momba ny tetikasa hametrahana ny fitaterana "Téléphérique" eto Antananarivo sy ny tetikasa Mandraka 3. Nankatoavin’ireo Solombavambahoaka ny 16 desambra 2021 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny volavolan-dalana laharana faha-023/2021 sy laharana faha-024 tamin’ny 15 Desambra 2021 momba ny findramam-bola entina mamatsy io tetikasa «Transport par câble » na Teleferika eto Antananarivo io. 24 volana no fe-potoana nambara fa hanatanterahana ny tetikasa, ka ny orinasa COLAS sy POMA no hanao azy, mitentina 151 tapitrisa Euros ny teti-bidin’ny tetikasa, ka famatsiam-bola telo no anaovana azy, avy amin’ny Société Générale, NATIXIS ary ny Fanjakana Malagasy. Trosa izany no betsaka eo, 14 taona ny fe-potoana hamerenam-bola. Efa oktobra 2022 isika izao, tsy tena mbola hita soritra ny fanombohany, ankoatra ny adihevitra maro samihafa izay nodian’ny Fanjakana adala, ary izay nanakiana an’io nolazaina fa manohitra fandrosoana, kanefa hatramin’ny depiote IRD voafidy tany Ikongo aza naneho fa raha jerena ny zavatra tokony ho maika dia ny fanamboarana ireo làlana mampifandray ny distrika no tokony hihazakazahana no laharam-pahamehana kokoa. Nenjehina fatratra io olom-boafidy io, eny fa na hatramin’ny filoha aza nanakiana azy. Mandrak’ity ny androany, toa nikatso tanteraka indray ny resaka, nangina tsy hitan’ny karatra firy intsony, taorian’ny adihevitra momba ny fandavahana tetsy amin’ny Sekoly Saint Michel Amparibe, ny adihevitra tamin’ny mpivarotra tetsy amin’ny Petite Vitesse. Tsy resaka fihemorana noho ny ahiahy sy ny kiana fa tsy laharam-pahamehana no mampikatso, fa tombanana ho ny resaka ara-bola. Raha ny “werawera”-n’ity fitondrana ity, vao vita ny fifanarahana dia nalefany io, saingy mety misy olana maro, indrindra fa ny ara-bola. Serasera no betsaka hoe: hanomboka, saingy tsy hita izay eo. Mazava fa tsy ho vita ao anatin’ny fe-potoana iasan-dRajoelina raha io 24 volana na roa taona nofaritana io. Mety tsy ho vita mihitsy tahaka ny ozinina fanaovana etanola any Ambilobe, ny pole urbain ao Fianarantsoa, ny ozinina fanamboarana simenitra efa tamin’ny tetezamita no noresahana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap