airtel

Fifamoivoizana

19-mars-2021

Fifamoivoizana

Fitaterana an-tanety Fiara niisa 160 niditra “fourrière” tao anatin’ny 3 volana

Sample post image

Mitohy ny fitsirihina ataon’ny ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny

19-mars-2021

 

 


 toetr’andro, mba hiatrehana ny fihanaky aretina Covid-19. Tsy eto andrenivohitra ihany, fa hatrany amin’ny Faritra rehetra. Nanamafy ihany koa ny Filan-kevitry ny minisitra ny alarobia 17 martsa 2021, fa tsy maintsy hajaina ary hamafisina ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra mahakasika ny fitaterana. Tao anatin’ny telo volana izao, ny 15 janoary hatramin’ny 12 martsa 2021, dia nahatratra 168 ny isan’ireo fiara mpitatitra amin’ny zotra nasionaly, rezionaly ary suburbaine, voasazy. Ny 160 amin’ireo no nahiditra fourrière nandritra ny 10 andro. Ny volana febroary, nahitana fihenana ny isan’ireo fiara voasazy, saingy tato anatin’ny herinandro vitsy dia nahitana fitomboana indray ny tsy fanarahan-dalàna. Isan’ireo antony nahavoasazy azy ireo ny fampiasana fiara tsy voafendraka fanafody ; ny fakana mpandeha ivelan’ny tobim-piantsonana ka tsy ahafahana mahazo ny « manifold » misy ny mombamomba ireo mpandeha rehetra; ny fitondrana mpandeha mihoatra ny fetra, izay tsy hahafahana mametraka ny fanajana ny elanelana ao anaty fiara, ka mampitombo ny fifampikasohana. Nilaza ny eo anivon’ny ministera fa ho hentitra hatrany ary hiroso avy hatrany amin'ny fanasaziana manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna samihafa, izay mety hampidi-doza ireo mpandeha sy ny hafa, amin’izao vanim-potoana mampihanaka indray ny aretina Covid-19 izao.

Jean D.

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap