airtel

Fifamoivoizana

21-juil-2022

Fifamoivoizana

Fitaterana eny Alasora Tafakatra 1000 Ar ny saran-dalana

Sample post image

Mahatsiaro sahirana avokoa ny rehetra taorian'ny niakaran'ny vidin-tsolika. Niakatra ihany koa mantsy ny saran-dalana ary samy manao izay danin'ny kibony avokoa ireo taxibe.

21-juil-2022

Ho an'ny kaominina Alasora manokana dia fantatra fa tafakatra 1000 Ar ny saran-dalana miazo ny Fokontany Ambohitanety raha 600 Ar. Mahatratra 1200 Ar kosa ny miazo an'Antangirika. Lasa 700 Ar na 800 Ar kosa ny miainga eo Ambohijato miazo an'Alasora raha 500 Ar teo aloha. Velon-taraina manoloana izany fiakaran'ny saran-dalana mihoampampana ao Alasora izany ireo mponina ao an-toerana ka nandray ny andraikitra tandrify azy ny kaominina tarihin'ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy. Hisy araka izany ny fampihaonana ireo mpitatitra eo anivon'ny zotra « suburbaine » F sy I miasa eny an-toerana amin'ireo vahoaka mpisitraka mba hiaraha-mitady sy marimaritra iraisana hitsinjovana ny rehetra. Eny amin'ny kianja maitson'Alasora no hanatanterahana io fihaonan'ny roa tonta io amin'ny Sabotsy 23 jolay ho avy izao. Koa hirariana hoy ny Ben'ny tananan'Alasora ny hisian'ny fehin.kevitra sy fanapahan-kevitra tapaka tsy mamono ny andaniny no sady tsy mahafaty ny ankilany.
Pati
Legende: Hitadiavam-bahaolana ny saran-dalan'ny taxibe miazo an'Alasora
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap