airtel

Fifamoivoizana

02-sept-2021

Fifamoivoizana

Fitaterana Manomana hetsika ny Taxi-moto

Sample post image

Tsy ara-dalàna ny fahitanay ny fanapahana mikasika ny ‘’taxi-moto’’ tao amin’ny filankevitra monisipaly, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny “taxi-moto”, Tsiritiana.

02-sept-2021

 Vonona ny hanome volavolan-kevitra ho laniana momba izany izahay saingy tsy noraisin-drizareo, hoy izy. Tokony mba navela hanazava izahay hoe izao no lalàna sy fepetra tianay hitondrana azy. Eo am-pandaminana ny hetsika tokony ho atao manoloana ny toe-draharaha moa izahay, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ity filohan’ny fikambanan’ny “taxi-moto” ity.Raha ny zavatra hita omaly nanerana an’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina dia miasa soamantsara ireo taxi-moto.Ny resaka nifanaovana tamin’ny sasany tamin’izy ireo no nahafantarana fa mitondra entana, afaka maka entana ihany koa ny taxi-moto fa tsy voatery hoe olona ihany ary ny tsikaritra dia kinga amin’ny fifampiresahana amin’ny mpanjifa sy fandresena lahatra azy ireo ny taxi-moto.Tombony ho azy ireo ihany koa moa ny fahafahany misisika ka tsy dia miraikitra be amin’ny tohamboivoy tahaka ny fiara.Tsy very fotoana ireo izay maika.Andrasana ihany koa izay ho resaky ny ATT sy ny ministeran’ny fitaterana izay tompon’andraikitra voalohany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-mars-2024

Napetraka teo anivon’ny trano fiantohana MAMA ny faran’ny herinandro teo ny atao

Card image cap