airtel

Fifamoivoizana

10-mai-2022

Fifamoivoizana

Fitaterana sy fifamoivoizana Ireo antony hampidirana « fourrière » ny fiara

Sample post image

Maro ireo mpampiasa fiara no tsy mahalala izay antony hisakanan’ny mpitandro filaminana azy eny an-dalana ka mety handraisana fepetra hatramin’ny fampidirana ny fiara ho any am-balam-pamonjana na « Mise en fourrière ».

10-mai-2022

Nitondra fanazavana mikasika ireo antony mety hahatongavana amin’izany ny sampandraharaha misahana izany na ny DGSR mba hazava amin’ny rehetra. Fantatra ary fa ny tsy fisiana taratasy fahazahoan-dàlana mitatitra olona manokana na vahoaka « Carte violette » dia mety hampiditra ambalam-pamonjana. Eo koa ny tsy fananana taratasy nahavitana fitsirihana ara-teknika « Visite technique » ; ny tsy fananana na fampiasana taratasim-panjakana efa lany daty na tsy manan-kery intsony amin’ny fitaterana entana voararan’ny lalàna « Validité expirée »; ny fitaterana’olona an-tsokosoko « racolage des voyageurs » ; ny tsy fananana fahazahoan-dàlana miasa na « Autorisation »; ny tsy fisian’ny tsipika mamerina hazavana amin’ny fiara vaventy « Bande retro réfléchissante » ary ny fampiasana fiara misy fitaratra matroka misy pellicule « Vitre fumée ». Mahatratra 72 ora farafahakeliny ary 10 andro farafahaelany ny faharetan’ny fotoana itazomana ny fiara hampidirina ambalam-pamonjana hoy hatrany ny fanazavana azo. Aterina eny amin’ny biraon’ny kaominina ilay fiara mandritra izany ka ny tompon’ny fiara no miantoka ny fitondrana azy any sy ny fandoavana ny sazy izay tsy maintsy haloany. Raha toa ka tsy mahaloa ilay saran’ny sazy mifanaraka amin’ny tokony haloa ny tompon’ny fiara dia hanaovana fitanana an-tsoratra ka ny Fitsarana no tompon’ny fanapahana farany amin’izany. Ireo taxibe moa amin’ny ankapobeny no tena tratra’ny foriera eto amintsika izay manodidina ny 4 isan’andro eo ho eo raha kely raha araka ny loharanom-baovao azo. Nangonin’i Pati
 

 

Dans la même rubrique