airtel

Fifamoivoizana

12-déc-2025

Fitaterana sy fifamoivoizana

Mampiteny ny moana ny

Sample post image

gaboraraka eto Iarivo

12-déc-2025

Toe-javatra manamafy ny zava-niseho tetsy Behoririka nahafaty ilay zazavavy kely vao 6 taona, nilatsaka ka notetezin'ny kodiarana, taorian'ny fisisihana taksibe niaraka tamin'ny reniny, fa mila fanaovazana ny tontolon'ny fitateram-bahoaka sy ny fifamoivoizana eto amintsika. Tena gaboraraka tanteraka ny Fitaterana sy ny fifamoivoizana. Ny mpandeha tsy mifanaja, mifanisika, mifanosika,... tsy misy fifampitsinjovana ny fiarahamonina, fa lasa fanjakan'ny matanjaka. Mizaka ny tsy eran'ny ainy ohatra ireo marefo toy ny bevohoka, zokiolona, manan-kilema,... amin'ny fisitrahana taksibe indrindra ao anatin'ny fotoana maha be mpandeha na "heure de pointe". Vitsy ny koperativa mba mametraka fandaminana hoe mila milahatra ny mpandeha, ny mpandeha tsy mahay mifandamina sy mifanaja hoe tokony hilahatra,... Ny samy mpampiasa lalana samy manao izay danin'ny kibony, ny arabe lasa tsena kanefa vao misy fandaminana sy fanesorana dia migrevy,... Sanatria lasa Fanjakan'i Baroa!? Ny taksibe betsaka ny tsy fanarahan-dalana, ny koperativa betsaka no mpitango vola "cotisation" no tena asan'ny ankamaroany, ny mpamily sy reservera manao ny ataony satria manenjika "versement" sy ny mba ho any am-paosiny, ny samy mpampiasa lalana (fiara, moto, sarety, mpandeha an-tongotra,...) tsy mifanaja sy tsy mifampitsinjo. Mila alamina ny fitaterana, arindra sy alahatra ny mpandeha, ampanarahana ny ara-dalana toy ny karama mazava sy fiantohana ara-tsosialy toy ny CNaPS sy OSTIE ny mpiasa amin'ny fitaterana. Tsy hoe miaro ny mpamily sy reservera fa saika ny 80% amin'izy ireo dia tsy tena mandray karama ara-dalàna fa manenjika "versement" dia izay tombony kely no ifampizarana raha misy. Rehefa tsy afa-po ny tompona fiara dia mandroaka avy hatrany,... Betsaka ny fanatsarana mila hapetraka izay misy andraikitra lehibe mila raisin'ny ambaratongan-drafitra sy ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny: Kaominina, Minisiteran'ny fitaterana, Sampan-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, polisim-pirenena,... hamafisina ny fanaraha-maso sy ny sazy,...
Toky R
 

Dans la même rubrique