airtel

Fifamoivoizana

06-déc-2021

Fifamoivoizana

Fitaterana "téléphérique” Notsirihina ny toetry ny tany hametrahana ireo andry lehibe

Sample post image

Ezahina hovitaina mialohan’ny taona 2023 ilay fitaterana teleferika na transport par câble kasain’ny Fitondram-panjakana hotanterahina eto Antananarivo renvohitra hampihenana ny fitohanana lavareny.

06-déc-2021

 Tontosa tamin’ny sabotsy teo ny fijerena ny toetry ny tany hametrahana ireo andry vy lehibe miisa 78 hisandrahaka amina tobim-piantsonana miisa 12. Maro ireo toerana notsidihina sy nojerena tamin’izany notarihin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny foto-drafitrasa sy ny tanana vaovao eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika Andriamanohisoa Gérard. Nambaran’ity tompon’andraikitra farany tamin’izany fa tsy maintsy hovitaina mialohan’ny taona 2023 ny asa. Olona manodidina ny 4.000 isa isan’andro no ezahina hahazo tombontsoa amin’izany, raha kabina miisa 294 no hampiasaina, 27, 5 metatra miala amin’ny tany no tsy maintsy handatsahana io vy io raha araka ny fantatra ary tsy maintsy haorina mafy izany. Zotra roa no voakasik’ity tetikasa fitaterana «Téléphérique » ity. Anisan’ireny ny Zotra mavo izay hampitohy an’ Anosy - Andohalo - Ambanidia ary Ankatso. Eo ihany koa ny zotra orange izay mampitohy an’ Anosy - Ambohijatovo - Analakely - Soarano - Antanimena - Ankorondrano - Ivandry ary Ambatobe.
Pati

Legende : Tahaka izao ilay zotra fitaterana teleferika
 

Dans la même rubrique

26-mars-2024

Napetraka teo anivon’ny trano fiantohana MAMA ny faran’ny herinandro teo ny atao

Card image cap