airtel

Fifamoivoizana

02-juin-2025

Fitohanana tsy an-kijanona eny Itaosy

Tsy hita intsony izay hitarainana

Sample post image

Tsy alatsinainy, tsy talata, tsy sabotsy, tsy alahady, saika isan’andro vaky

02-juin-2025

izao ny fitohanana tsy an-kijanona eny Itaosy eny. Ny eo amin’ny sampanan’ny Vinany sy Ampasika eo no tena isan’ny mampitaraina ireo mpampiasa lalana, raha ny fanadihadiana natao. Tsy hita intsony izay hitarainana momba azy ity, hoy ny fanehoan-kevitra. Eo amin’iny Ampasika hivoaka an’Anosizato iny koa mbola tsy laizina rehefa ianao maika hamonjy fotoana any an-drenivohitra, hoy ihany ny fitarainana. Ny tetikasa Fly Over ity nijanona ho nofinofy tao anatin’ny 7 taona. Rehefa miresaka hoe faritr’Itaosy koa dia mila tsaroana ihany fa ahitàna kaominina vitsivitsy izany, izay mampametra-panontaniana hoe tsy fifandrindrana iraisan’izy ireo ve mikasika izay fandrindràna ny fifamoivoizana eny an-toerana izay?
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique