airtel

Fifamoivoizana

20-sept-2022

Fifamoivoizana

Fitsirihana teny amin’ny RN4 Fiara miisa 59 no nogiazana taratasy

Sample post image

Mitohy ny fitsirihana hataon’ny foibe fitsarana fiarakodia. Tany amin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny indray no nanaovan’izy ireo hetsika hampihenana ny loza ateraky ny fifamoivoizana.

20-sept-2022

Tao amin’ny Kaominina Mahitsy, Ankazobe, Ajomoka, Ampanotokana, Antanetibe Mahazaza, Anjanadoria ary Bemahazaza no nanatontosany izany. Nahatratra 197 isa ireo fiara voasava nandritra izany ka ny 59 tamin’ ireo no voatery nosintonina ny taratasiny, 12 isa kosa noho ny tsy fisiana na fahalanian’ny paikandro fitsirihana ara-teknika dia naiditra am-balam-pamonjana ka miisa 07 ny fiara raha miisa 05 ny bajaj. 46 tamin’ireo no tsy maintsy natao “INAPTES” noho ny tsy fahatomombanana ara-teknika hafa. Ny 06 olana tamin’ny hisatra sy teo amin’ny familiana, ny 23 olana teo amin’ny jiro sy ireo kojakoja hafa mahalavorary ny hazavan’ny fiara, ny 06 olana tamin’ny fampiasana fitaratra matraka tsy nahazahoana alalana, ny iray fiara tsy nahavita ny fandraisana ara-teknika, ny 08 fiara ilàna fanatsarana ny anatiny sy ivelany, ny 04 fiara manana kodiarana efa sola, ny 11 ireo olana hafa toy ny fitondrana olona tsy mifanaraka amin’ny voalaza ao anatin’ny taratasin’ny fiara...
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny hetsika fisavana
 

Dans la même rubrique