airtel

Fifamoivoizana

02-juin-2022

Fifamoivoizana

HE Mada “Misy vahaolana tsara lavitra noho ny teleferika”

Sample post image

Miombona amin’ny tokony hisian’ny fikaonan-doham-pirenena mialohan’ny fifidianana ny antoko politika HE Mada, hoy ny mpikamban’ny birao maharitra eo anivon’ity antoko ity, Nantenaina Rakotonirina.

02-juin-2022

Iarahantsika mahalala ny tsy nety be dia be niatrehana ireo zotram-pifidianana maromaro nisy tany aloha, hoy izy. Ny maty nifidy. Ny velona tsy nifidy. Ny namanay izao misy olona manana kara-panondro mitovy amin’ny azy tao amin’ny biraom-pandatsaham-bato nisy azy ary nitory mihitsy moa izy tamin’izany saingy tsy hita ny nanjavonany. Manano sarotra foana koa ny fanaovana karapanondro rehefa toy izao ka hanaovana antsoavo ny minisiteran’ny atitany sy fitsinjaram-pahefana mba hijery akaiky izany. Tsy afa-misaraka ny fifidianana sy fiainam-bahoaka. Tsy vao anio izahay no niteny fa tsy ilaina izany teleferika sy tanamasoandro izany. Mila fampandrosoana ifotony isika fa tsy manjelanjelatra. Misy vahaolana mora sady tsara lavitra noho ny teleferika. Eo ny fanaovana fiantsonam-piara maimaim-poana sahanin’ny tananan’Antananarivo fa any ivelan’Antananarivo. Be dia be ny fiara miditra eto Antananarivo no avy any Ambohibao, Talatamaty, Ivato, Ambohimangakely sy ny maro lavitra izay mihoatra ny isan’ny taksibe eto. Tsy zakan’Antananarivo fa dia tsy maintsy misy voatery mipetraka eny an-tsisin-dalana dia ametrahan’ny CUA “Taquet d’arrêt”. Atsaraina amin’izay ny kalitaon’ny taksibe ary lasa “Class” ho azy. Tsy mandany 150 tapitrisa Euros izany ary tsy mandoto ny rivotra eto Antananarivo. Voajery ny lafiny fahasalamana, ekolojia, ekonomia satria mihena koa ny fandaniantsika solika, hoy hatrany ny HE Mada.
J. Mirija
Legende: Nantenaina Rakotonirina
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap