airtel

Fifamoivoizana

12-janv-2022

Fifamoivoizana

Iavoloha Nifanazava ny Filoha sy ny Katolika

Sample post image

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao amin’ny Biraony teny Iavoloha ireo lehiben’ny Fivondronamben'ny

12-janv-2022

Eveka eto Madagasikara efatra mirahalahy notarihin’ny Filohany Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina omaly talata 11 janoary 2022. Tsy isan’ireo teny Iavoloha kosa ny Arsevekan’Antananarivo. Tonga niarahaba sy nirary soa ny Filoha noho ny fahatongavan’ny Taona vaovao 2022 izy ireo. “Noresahinay teto ny mikasika ny zava-misy eny anivon'ny distrika rehetra manerana ny Nosy, ary nahafahako nitondra fanazavana mikasika ny fiainam-pirenena ity fotoana ity satria zava-dehibe tokoa ny fifanakalozan-kevitra mivantana satria mampiova ny fomba fijery. Nitondra hafatra avy amin'ny Papa Ray Masina François ho ahy ihany koa izy ireo mikasika ny fanabeazana mba hisian'ny fandriampahalemana maharitra sy ny fanomezana asa. Ary nampita ny hafatr’i Papa François izay manasa ny tenako ho any Vatican taorian'ny famangiany teto Madagasikara tamin'ny taona 2019”, hoy i Andry Rajoelina. Momba ny fampianarana, ny famoronana asa,… moa votoatin’io hafatra io. Mikasika ny tetikasa « Téléphérique" dia nambara fa efa misy ny fifampiresahana teo amin'ny diosezin'Antananarivo sy ny Fitondram-panjakana mikasika ireo toerana hametrahana an'ireo fotodrafitrasa”. “Mikasika ny “pylone” dia eto Antananarivo ny tetikasa, ka miankina amin’ny Diosezin’Antananarivo, ka ataoko fa efa misy ny fifampiresahana sy fifandaminana amin’ny fitondram-panjakana, efa nisy izany. Ny Fiangonana katolika dia vonona amin’izay te hampandroso ny tanindrazana », hoy ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka. Noresahan’ny roa tonta ihany koa ny ezaka momba ireo entana ilaina an-davanandro na ny "PPN", ka ny fampitomboana ny vokatra eto an-toerana no himasoantsika, fa eo ihany koa ny fanafarana ny "Vary Mora".Mahafaly ahy ny fahavononan’ny Fiangonana Katolika hiara-hiasa amiko sy amin'ireo rehetra te-hampandroso ny Tanindrazana, hoy i Andry Rajoelina. Saro-pady io resaka fiangonana sy ny tetikasa teleferika io, ary adihevitra tato ho ato ny momba ny fanintsahany na fandalovany amin’ny faritry ny fiangonana. Ny ofisialy dia hoe: manaiky ny rafitry ny fiangonana, saingy misy ny mpino sy ny mpitarika fiangonana no tsy mankasitraka, tsy hoe: manohitra ny tetikasa, fa fandalovany amin’ny faritry ny fiangonana na ny fotodrafitrasan’ny fiangonana no olana ho azy ireo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap
19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap