airtel

Fifamoivoizana

22-mai-2026

Ilaka Centre (RN7)

Fiara namono olona

Sample post image

vokatry ny fandehanana mafy

22-mai-2026

Fiara iray mpitatitra olona avy any Tsiroanomandidy hihazo an’Ambositra, no tra-doza teo amin'ny PK 217+150 amin'ny lalampanorenana faha-7, ao Ilaka Centre Distrika Ambositra omaly Alakamisy nanodidina ny tamin’ny 03 ora maraina. Voalaza fa nandeha mafy io fiara io ka nivadika rehefa tsy voafehin’ny mpamily tao anaty fiolahana. Namoy ny ainy ny 02, lehilahy iray sy vehivavy iray, tamin'ireo olona miisa 27 tao anatiny. Naratra ny 09 ka nentina notsaboina tao amin’ny CSBII Ilaka Centre. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny zandary avy ao amin'ny Brigady Ilaka Centre. Notanana hanaovana famotorana ny mpamily. Nahitana fahasimbana ny fiara nentiny.
Jean D.
Ilay fiara nitera-doza
 

Dans la même rubrique