ny zotra-pitaterana vaovao mampitohy ny kaominina Ivato, Talatamaty amin'Ambohidratrimo. Miala any amin'ny horizon Ivato izy ireny isan'andro mitatitra mpandeha ary tsy mijanona raha tsy eny Ambavarano kaominina Ambohidratrimo. Tobim-piantsonana vaovao vao notokanana tamim-pomba ofisialy ity farany, tetikasan'ny Ben'ny tanana Raherimanantsoa Feno tamin'ny taona 2020. Vokatry ny ezaky ny Ben'ny tanana sy ny Sainfe no angady nananana sy vy nahitana izany mpandraharaha iray eny amin'iny faritra iny. Nambaran'ny solombavambahoaka Mamy Rabenirina voafidy tao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo fa tsy tokony hisy intsony manomboka izao ireo taxibe miodina an-dalana na manary mpandeha tsy mañana vola madinika. Tokony hanaiky izay voalaza ao anatin'ny bokin'andraikitra avokoa hoy izy ireo zotra-pitaterana miisa 4 eny Ambohidratrimo dia ny zotra D Fanantenana, ny KOFIAMA...Izay tratra tsy manara-dalana hoy hatrany izy dia ho avy aminy ny sazy tena henjana izay niantsoany ny mpitandro ny filaminana mba tsy hijanona ho mpitsoka kirioka fotsiny.
Pati
Légende : Nandritra ny fitokanana ny foto-drafitrasa !