airtel

Fifamoivoizana

30-août-2022

Fifamoivoizana

JMJ MADA 2022 Mpizaika 10 no tra-doza

Sample post image

Mpizaika miisa 10 hamonjy ilay JMJ andiany fahafolo sahady no tra-doza omaly alatsinainy raha nanainga tany Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro, hiazo an’Antsirabe.

30-août-2022

Raha araka ny vaovao azo dia tao Ambohitovolahy Manaka-Ouest no tra-doza ny fiara sprinter nitondra azy ireo. Vaky ny kodiarana avy aoriana , antony nampivadika ilay fiara. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Naratra mafy kosa ireo mpizaika miisa 10 ary efa noraisina an-tanana ao amin'ny CHRR Ambatondrazaka.Tsiahivina hatrany moa fa vao tamin’ny Sabotsy teo ihany koa no nisehoana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tao Manakambahiny Andrefana, distrikan’Ambatondrazaka. Mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ireo naratra.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay fiara tra-doza
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap