Nandeha mafy ilay iray hihazo an'i Tsiroanomandidy, hoy ny fanazavana. Tsy nahatazona familiana ilay nitondra ka tafavoaka ny lalany ary nidona tamin'ilay iray hifanena taminy. Tsy nisy ny aina nafoy fa lehilahy miisa 2 no naratra, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Azo lazaina ho lalana ahitana matetika fiara mifamezivezy moa iny Imerintsiatosika sy ny manodidina azy iny. Mbola eo am-panarenana rahateo ny ankamaroan’ireo lalana mihazo ny ati-tanàna, raha ny fanazavana voaray farany tamin’ny tomponandraikitra. Na izany na tsy izany, na lalana dratsy, na lalana tsara, eny, na faran’izay tsara aza, dia heverina hatrany fa zava-dehibe amin’ny fifehezana ny fifamoivoizana rehefa mitondra fiara na fitaovam-pitaterana hafa ny fahaiza-mandanja io resaka hafainganam-pandeha io, raha tsy dia sanatria efa hoe hamono tena mihitsy angamba no tanjona. Raha hamonjy zava-dehibe hafa na fotoana na olona no antony andehanana mafy ka tratry ny tahaka izao na sanatria maty mihitsy moa dia efa iaraha-mahalala fa tsy vitan’ny hoe fatiantoka fotsiny no anarany fa zava-poana ambonin’ny zava-poana mihitsy. Asakasak’ireo izay mbola hitrifana rehefa mitondra fitaovam-pitaterana!
J. Mirija
Na hianavaratra, na hianatsimo, na hiankandrefana na hiantsinanana,
Ho tapaka tanteraka mandritra ny adiny iray ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-2 (RNP 2),