airtel

Fifamoivoizana

02-août-2021

Fifamoivoizana

Kamiao sy lamasinina nifandona tao carion Hadihadiana anio ny mpamilin’ilay kamiao

Sample post image

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tany Carion afak’omaly hariva. Kamiao mpitatitra vokatra izay ana mpivarotra iray no nifandona tamin’ny lamasinina.

02-août-2021

Tsy lavitra ny biraon’ny zandarimaria no nisehoan’izany saingy tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Samy simba kosa na ilay fiara na ilay lamasinina. Samy tonga nijery ny zava-misy moa ny zandary sy ny polisin’ny gara avy amin’ny kaomisaria voatokana. Raha araka ny fantatra moa dia nitondra “citerne” foana ilay lamasinina ary avy aty Antananarivo handeha haka solika any Toamasina no tena anton-diany. Nony tonga teo Carion, anefa izy dia nisy an’io kamiao io nanapaka lalam-by io na dia efa nampanenoina aza ny anjomara. Nalain’ny zandary moa ny taratasin’ilay kamiao raha anio Alatsinainy kosa no hampanantsoina hatao fanadihadiana izy.Tsiahivina fa voasazy mandoa 7000 ariary eo ho eo isa-minitra, arakaraka ny fotoana lany nijanonan’ilay lamasinina, ny mpamilin’ny kamiao, raha toa ka voamarina fa diso ka any amin’ilay orinasa miandraikitra ny lamasinina io saran-tsazy io no aloha.
Nangonin’i Pati
 


 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap