airtel

Fifamoivoizana

28-avril-2026

KAOMININA BONGATSARA

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

Sample post image

Amboarina ny lalana ao amin'ny

28-avril-2026

Fokontany Ambohibao, kaominîna Bongatsara, distrikan'Atsimondrano. Natomboka omaly Alatsinainy 27 Aprily ny asa, tao amin’ny Village Famonjena. Tanjona ny hanatsara ny fivezivezen’ny mponina sy ny vokatra no sady hampiroboroboana ny fampandrosoana eny ifotony ihany koa. Ity tetikasa ity raha araka ny fantatra dia vokatry ny fiaraha-miasa akaiky sy mahomby eo amin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga, indrindra amin’ny fiombonan-kery amin’ny Lehiben'ny Faritra Analamanga, izay manohana sy manara-maso akaiky ny fanatanterahana ny asa. Faly ny mponina noho izany. Antenaina hitondra voka-tsoa maharitra ho an’ny tananan'Ambohibao sy ny manodidina ity asa fanamboaran-dalana ity, amin’ny alalan’ny fanamorana ny fifamoivoizana sy ny fitaterana. Tonga nijery ny fanombohan'ny asa ny Ben'ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy. Hetahetan'izy ireo ny hihitaran'ny asa fanamboarana any amin'ny Fokontany hafa.
Pati
Légende : Mandeha tahaka izao ny asa !

 

Dans la même rubrique

27-avril-2026

Takrsibrosy iray, marika Sprinter

Card image cap
27-avril-2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana

Card image cap