airtel

Fifamoivoizana

04-avril-2022

Fifamoivoizana

Karama tsy voaray Miandry vahaolana ireo mpiasan’ny fandanjana fiara

Sample post image

Efa ho 3 volana hiditra 4 volana izahay tsy nandray karama, hoy ny fitarainana iray nataon’olona tsy nitonona anarana milaza azy ho mpiasan’ny toby fandanjana fiara ny sabotsy teo.

04-avril-2022

Hatramin’izao anefa, hoy izy, dia tsy misy vaovao mari-pototra fa dia harirarira hatrany raha mba mangataka vaovao momba izany fitakiana izany, izahay moa dia tsy afaka maneho hevitra fa fandrahonana famindrana toeram-piasana na “affectation” no setriny raha manao izany ka mba mangataka re tompoko raha mba azo atao mba jereo akaiky izahay mpiasa fa tena mijaly, hoy hatrany ity ampahana fanehoan-kevitra ity. Miangavy ny fitondram-panjakana mahefa moa ity mitaraina ity mba hijery ny zava-misy marina. Hatreto dia miandry ny fanazavana avy eo anivon’ireo tompon’andraikitra sy mpitantana araka izany hilaza ny tena zava-misy marina mikasika ity olana momba ny fandanjana fiara ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique