Taorian’ny fampahafantarana ara-taratasy dia nidina ifotony ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Distrikan'Ambohidratrimo izay notarihin-dRtoa Lehiben’ny Distrika mba ho fitandremana sy ho fisorohana ny loza mety hitranga manoloana ny lalam-baovao miainga etsy amin'ny digy Ambohitrimanjaka miazo an'Andranotapahana. Nanatrika izany ny Ben'ny tananan'ny kaominîna Talatamaty Raharinoasy Elie Dominic. Nivoitra nandritra izany fidinana ifotony nataon'izy ireo izany fa tsy azo hatao ny mivarotra eo amin’ny arabe "voie rapide" satria tsy nahazoana alalana izany. Toraka izany koa ny fanaovana fifaninanana hazakazaka amin'ny fiarakodia sy ny moto. Nankasitraka sahady ireo voakasika moa ireto tompon'andraikitra ireto mba ho tombotsoan’ny besinimaro sy ho fiarovana ny ain’ny samy mpiara-belona. Tsiahivina fa efa tafakatra am-polony ireo olona tonga mivarotra eny amin'ity lalam-baovao iray ity, indrindra fa rehefa faran'ny herinandro. Ankoatra ny zava-pisotro isan-karazany dia mivarotra karazana kitonotono ihany koa izy ireo mba hatao tsaky.
Pati
Légende : Nidina ifotony toy izao mihitsy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny toy ny Ben'ny tanana