Taxi brousse sprinter iray ao amin’ny zotra-pitaterana Cotisse avy any Morondava hihazo an'Antananarivo no niharan-doza tamin’izany. Raha araka ny fantatra dia saika nivadika tany anaty antsana ity taxi-brousse ity rehefa niala lavaka. Vokany, mpandeha miisa 4 no naratra mafy ary noentina namonjy hopitaly any Malaimbandy araka ny vaovao. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Tsiahivina moa fa vokatry ny olana ara-teknika mety mahazo ny fiara ny 80% mety mahatonga ny loza tahaka izao raha avy amin’ny tsy fitandreman’ny mpamily ny 20%.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay fiara taxi-brousse tra-doza
An-taonany maro no tsy mivaha ny olan’ny Mpiasan’ny zotran-dalamby FCE