airtel

Fifamoivoizana

26-juil-2021

Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha-4 Mitombo isa ireo faritra misy fahasimbana

Sample post image

Niova tanteraka ny asa fitondrana fiara sy moto miazo ny lalam-pirenena fahaefatra amin’izao noho ny haratsian’ny lalana.

26-juil-2021

 Nitombo ora 4 be izao mantsy ny fe-potoana lany eny am-pandehanana izany hoe : raha natao 12 ora teo aloha dia lasa 14 ka hatramin’ny 16 ora ankehitriny. Maro amin’ireo lalana no feno lavakabe. Simba ny ankamaroan’ny fiara ka ny ressort no tena soloina matetika sy manahirana hoy ireo tompona fiara. Ankoatra izay hoy hatrany ireo tompona fiara dia any amin’ireo toerana be dahalo no tena ratsy ny lalana ka miteraka fanahiana mafy ho an’ireo mpamily. Nosinganin’izy ireo manokana tamin’izany ny ao Ambalanjanakomby. Nomarihin’ireo mpamily moa fa misy ministra sy governora ary solombavambahoaka mandalo any amin’iny faritra iny ary mahita tsara ny haratsian’ireo lalana ireo saingy tsy taitra. Notsiahivin’ny Ministry ny asa vaventy Hajo Andrianainarivelo moa fa mitentina 300 tapitrisa dolara isan-taona ny lela- vola ilaina hikojakojana ny lalana eto amintsika raha 30 tapitrisa dolara monja no voaangona ao anatin’ilay Fond d’Entretien Routier.
Pati

 

Dans la même rubrique