airtel

Fifamoivoizana

23-févr-2022

Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha-4 sy faha-6 Miha potika ary mety hampitera-doza

Sample post image

Mila mitandrina ireo mpampiasa ny lalam-pirenena fahaefatra sy fahafaenina mampitohy ny faritra andrefana sy ny avaratra nosy satria potika avokoa ny ankamaroa’ny lalana sy ny tetezana

23-févr-2022

 mampifandray ireo fokontany sy ny kaominina. Miainga avy eo Ambohidratrimo dia efa lalana feno lavaka arahina tara simba no iainan’ireo mpitondra fiara sy ny mpandeha rehefa hihazo ny lalam-pirenena fahaefatra. Tonga hatrany Mahajanga sy ny Antsiranana ireo lalana simba. Eo anelanelan’ny Maevatanana sy Ambondromamy no tena betsaka ireo lavaka izay mampiteraka lozam-pifamoivozana ireo fiara izay miala lalana feno lavaka . Ambondromamy Ambilobe izay efa tena ratsy misy fanamboarana aman-taonany saingy ny fampanantena ataon’ny mpitondra izay hisy fanamboarna izay tsy voafaritra no betsaka. Maro ny voka-dratsy ateraky ny fahasimban-dalana amin’ny lalam-pirenena ireo ; ny fiara izay mpitatra mpandeha dia mitaraina amin’ny fanoloana ny kojakoja isaky ny mihetsika. Ny asan-dahalo sy ny tetezana ahiana hihotsaka dia isan’ny mampitaintaina ireo vahoaka amin’ireo faritra roa handalovan’ny RN 4 sy RN6 iny. Anisany mety hampidera-doza indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao ny fampiasana ireo lalana ireo satria dia efa malama no feno lavaka izay aleha rehetra ka eo no mety hampideran-doza. Betsaka ireo tranga lozam-pifamoivozana niseho tamin’ireo lalana roa mampitohy ny faritra andrefana sy avaratra ary saika namoizana ain’olona maro. Nitaraina hatrany anefa ny mpampiasa ny lalana amin’ny ministeran’ny asa vaventy amin’ny tokony hisian’ny fanamboarana saingy tsy mbola heno ny fotoana ahafahan’ny fanjakana manao izany . Mandrapahavitan’ny lalana, dia mila mitandrina tanteraka ireo mpamily mba tsy hisian’ny loza mety hitranga .
Tolin
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap